Firy Taona No Tokony Hylely Voalohany
Ny FIRAISANA dia ampahany lehibe amin’ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina. Ireto ambany ireto ny hafatry KOPOZE mahakasika ny fiarahany olondroa .Tsara ho fantatra fa tsy misy “taona tonga lafatra” tokana ho an’ny olona rehetra hanombohana firaisana. Ny tena zava-dehibe dia ny fahavononana ara-tsaina, fahamatorana ara-batana 18 taona fara faha keliny , ary ny fahalalana ny risika sy fiarovana.
Rehefa anatiny ny 10 taona miala sakana , dia mbola ao anatin’ny dingana antsoina hoe fahazazana ny olona. Amin’ity fotoana ity, ny vatana sy ny saina dia mbola eo amin’ny fivoarana. Ny fanombohana firaisana amin’io taona io dia mety hitondra voka-dratsy lehibe.
Voalohany, ny vatana dia mbola tsy vonona. Ny taova fiterahana dia tsy mbola matotra tanteraka, ka mety hiteraka ratra na olana ara-pahasalamana. Faharoa, ny saina dia mbola tsy afaka mandray fanapahan-kevitra matotra, ka mety hisy trauma na fahakiviana.
Ankoatra izany, ny olona manomboka firaisana 10 taona dia mety ho tratran’ny aretina azo avy amin’ny firaisana (IST angatra ) sy ny fitondrana vohoka aloha loatra. Ireo dia mety hanimba ny fiainana manontolo.
Raha jerena amin’ny lafiny tsara, dia saika tsy misy tombontsoa ara-pahasalamana ny fanombohana firaisana raha 10 taona. Izany no antony hanoroany KOPOZE hevitra hatrany ary ny fiandrasana mandra-pahatongan’ny fahamatorana.
Amin’ny lafiny iray, rehefa 30 taona, dia efa matotra tanteraka ny olona amin’ny ankapobeny. Ny vatana dia efa vonona, ary ny saina dia afaka mandray fanapahan-kevitra amin’ny fomba hendry.
Ny tombontsoa amin’ny fanombohana firaisana eo @ faha 30 taona dia ahitana ny fahafantarana ny tena sy ny fifehezana ny fihetseham-po. Matetika ny olona amin’io taona io dia efa mahafantatra ny (consentement) (fanekena mazava) sy ny fiarovana.
Misy ihany koa ny tombony ara-pahasalamana, toy ny fihenan’ny adintsaina, fahatsapana fahasambarana, ary fanatsarana ny fifandraisana amin’ny olontiana.
Na izany aza, mety hisy fanamby ihany koa. Ohatra, ny olona sasany dia mety hahatsapa fanerena ara-tsosialy na tahotra noho ny tsy fahazarana. Mety hisy koa ny olana amin’ny (confiance) (fitokisana tena).
Ny tena zava-dehibe amin’ny firaisana dia ny fahavononana sy ny fanajana. Tsy tokony hatao noho ny fanerena na tahotra, fa noho ny safidy mazava sy fahalalana. Ilaina ihany koa ny mampiasa fiarovana toy ny kapoty mba hisorohana ny aretina na vohoka tsy nirina.
Ny hafatra lehibe dia ny miandry mandra-pahavonona, mianatra momba ny vatanao (libido), ary mifanazava ny tokony ataonareo roa. Ny firaisana dia tsy fifaninanana fa dingana iray amin’ny fiainana mila fahendrena.
LESONA HO ANAO
Tandremo ny vatanao satria io no harena lehibe anananao. Ny fanapahan-kevitra raisinao anio dia hisy fiantraikany amin’ny hoavinao. Mianara, mitadiava fahalalana, ary aza menatra manontany izay vao manapa-kevitra.
Ny fitiavana ny tena sy ny fanajana ny tena dia mitondra amin’ny safidy tsara. Raha mikarakara ny vatanao sy ny sainao ianao, dia hanana fiainana sambatra sy salama.
Ireo fanontaniana matetika be mpanontany?
1. Inona no taona mety hanombohana firaisana?
Tsy misy taona tokana, fa ny fahavononana sy ny fahamatorana no zava-dehibe 18taona raha haingana indrindra.
2. Mety ve ny manao firaisana raha mbola miala sakana?
Tsia, satria mety hanimba ny vatana sy saina.
3. Inona no atao hoe consentement?
Izany hoe fanekena mazava avy amin’ny olondroa.
4. Fomba hiarovana ny vatana?
Ampiasao ny kapoty ary mianara izay vao manapa-kevitra.
5. Inona ny risika amin’ny firaisana aloha loatra?
Hiteraka aretina sy vohoka tsy nirina.
6. Tsara ve ny miandry?
Eny, satria manampy amin’ny fanapahan-kevitra tsara.
7. Misy tombony ve ny firaisana?
Eny, manala adintsaina sy manamaivana ny vatana indrindra raha atao amin’ny fotoana mampazoto .
8. Inona no atao raha matahotra?
Miresaha mazava ampahatsorana @ olontiana dia ajanona @ fotoana mampazoto
9. Misy fiantraikany amin’ny saina ve?
Eny, raha toa ka kamo kanefa noterena.
10. Dia inona ny torohevitra farany ry KOPOZE?
Aza maika, tsy maintsy miditra ao daholo isika fa ataovy amin’ny fotoana mampazoto sy amin’ny olona vonona hifampizara fitiavana matotra.

Comments
Post a Comment