Iza Moa I Ra TIM
馃拵 Tim McGuire, fantatry ny maro amin'ny anarana hoe RA TIM, dia teraka tao Framingham, Massachusetts, any Etazonia ary lehibe tao Maine. Na dia Amerikana aza izy, dia lasa akaiky ny fon'ny Malagasy noho ny fitiavany an'i Madagasikara sy ny asa fampandrosoana ataony eto amin'ny Nosy. 馃帀 Nanomboka ny tantarany tamin'i Madagasikara nandritra ny fianarany momba ny Fampandrosoana Ifotony sy Iraisam-pirenena (Community and International Development), teo ambany fitarihan'ny Dr Jo毛l Luc Raveloharimisy. Nandritra izany no nahafahany niaina sy nanao fikarohana teto Madagasikara. 馃帡️Taorian'ny nahazoany diplaoma tamin'ny taona 2017 dia niverina tany Etazonia izy, saingy tsy afaka niala tao am-pony ny fitiavany an'i Madagasikara. Tamin'ny taona 2019 dia sahy niverina teto indray izy, tsy nitondra asa voaomana na antoka, fa nitondra nofy sy tanjona lehibe. 馃巰 Tamin'ny voalohany dia nikasa hanangana orinasa ara-pizahantany izay ahafahan'ny vondrom-pi...