Dangitra Imbetsaka Kanefa Matory
“Velona” Mandritra ny Torimaso (Erection Nocturne)
ndao fakafakaina ny vatany lehilahy mandritra ny alina. Zava-misy ara-pahasalamana tanteraka ny dangitra ary tsy tokony hampatahotra.
Amin’ny ankapobeny, ny lehilahy dia mety mahatsapa hoe velona in -4 na in-6 ny azy rehefa ao anatin’ny torimaso lalina (REM sleep). Ka mety maharitra 10 hatramin’ny 20 minitra.
Inona marina no mitranga amin’ny vatana?
Rehefa matory ianao dia tsy “miala sasatra fotsiny” ny atidoha sy ny rafi-pitatitra. Mandritra ny (REM sleep) dia miasa mafy ny atidoha ka mandefa (signal) amin’ny lalan-dra sy ny (nerve). Izay no mahatonga nylataka ho tonga amin’ny toe-javatra antsoina hoe "erection spontané".
Tsy avy amin’ny eritreritra ara-nofo foana izany, fa avy amin’ny:
- Fiasan’ny rafi-pitatitra (nervous system)
- Fikoriana ny ra ao amin’ny Lataka
- Fiovan’ny hormone (testosterone)
Ara-dalàna ve izany?
Eny, ara-dalàna tanteraka ny vatana toy izany.
👉 Ity dia famantarana fa miasa tsara ny vatanao sy ny rafitra ara-pananahana.
Ny lehilahy salama dia matetika:
- Dangitra 3–6 isan’alina
- Maharitra 10–30 minitra
- Mitranga tsy voafehy
Rahoviana no tokony hanahy
sy hanantona mpitsabo
- Raha mahatsapa fa maharary rehefa dangitra
- Raha maharitra mihoatra ny 4 ora (priapisme), izany hoe efa vita nylely kanefa mandritra ny 4ora mahery dia mbola dangitra ihany
- Olana manarakadia tsy dangitra isa-maraina na isak'alina
Antony dia mety misy olana ara-pahasalamana toy ny lalan-dra na (hormone) na (nerve).
eo koa
ny tahotra na henatra kanefa ny vatana dia manana “cycle naturel” amin’ny torimaso.
Rehefa matory isika: ny ataony atidoha dia mandrafitra @ laoniny ny taova rehetra. Anisan’izany ny rafitra ara-pananahana, ka miteraka fihenjanana vetivety.
Tsara ho fantatra fa tsy hoe dangitra dia hylely fa fanamarinana fa miasa tsara ny vatanao.
💚 Fehiny
Ny fahalalana ny vatanao dia manampy anao hanana fahatokisantena. Aza menatra manontany na mila fanazavana ara-pahasalamana.
Ny vatana salama dia tsy fahavalo, fa mpiara-dia aminao. Raha mikarakara sy mitia ny vatanao ianao dia ho mora @nao ny miaina tsy misy tahotra.
👉 “Ny fahalalana dia fanasitranana voalohany.”
Ireo Fanontaniana matetika miverimberina?
1. Normal ve ny dangitra mandritra ny torimaso?
Eny, normal tanteraka izany. Ny lehilahy salama dia mandalo io fihetsika io rehefa renoky ny torimaso. Tsy midika hoe aretina izany fa famantarana fa miasa tsara ny rafitra ara-pananahana.
2. Inona no mahatonga azy hiseho 4–6 isak’alina?
Vokatry ny (cycle) torimaso. Ary rehefa rendrika ny lehilahy dia mbola miasa ny atidoha avy eo mandefa (signal) mampitombo ny fikorianany RA ao amin’nyLataka
3. Mila fitsaboana ve aho raha mitranga izany?
Tsia. Tsy mila fitsaboana raha tsy misy fanaintainana. Ary efa voajanahary ilay dangitra.
4. Midika ve izany fa miakatra be ny "libido” ?
Tsy voatery. Na ny olona tsy mieritreritra firaisana aza dia mety mbola ho dangitra @ alina. Satria mifandray ny (hormone) sy torimaso.
5. Rahoviana no tokony hanatona dokotera?
Raha maharary na maharitra 4hr mahery mbola dangitra, na tsy dangitra intsony. Ka tsara manatona (urologist) na (sexologist).

Comments
Post a Comment