Manao Ahoana Ny Vatany Vehivavy Rehefa Dangitra Izany Hoe Rehefa Miakatra Ny Fientanana
fanazavana ara-tsiansy
Ny fanaitaitrana ara-nofo amin'ny vehivavy dia dingana voajanahary sy sarotra izay ahitana ny ati-doha, hormonina, hozatra, ary ny fikorianan'ny ra.
Tahaka ny amin'ny lehilahy, ny "erection" amin'ny vehivavy dia midika fitomboan'ny ra miditra ao amin'ny taova manokana.
Ka ara-dalàna tanteraka izany.
Dingana 1: Fanentanana ara-tsaina sy ara-pihetseham-po
Manomboka ao amin'ny ati-doha ny dingana rehefa misy eritreritra, fahatsapana.
Mandefa famantarana ny ati-doha amin'ny alalan'ny lalan-drà sy ny rafi-pitabatabana.
Zava-dehibe ny fahatokisana sy ny fahazoana aina amin'ity dingana ity.
Dingana 2: Fiasan'ny hormonina
Miakatra ny hormonina toy ny estrogen sy dopamine izay mampitombo ny fahatsapana.
Ireo hormonina ireo no manampy amin'ny fanatsarana ny fahafinaretana.
Raha tsy salama ny (hormonina) dia mety hisy fiantraikany amin'ny fientanana.
Dingana 3: Fitomboan'ny fikorianan'ny ra
Mivelatra ny lalan-drà ka mampiditra ra betsaka kokoa any amin'ny taova manokana.
Izany no mahatonga ny faritra sasany ho mivonto sy miova loko.
Ary antsoina hoe "female erection"
Dingana 4: Fiovan'ny kitso
Ny kitso dia mihamafy sy mihalehibe noho ny fitomboan'ny ra.
Izy io dia manana (nerve) maro ka tena mora mahatsapa.
Mahatonga ny vehivavy ho dangitra haingana.
Dingana 5: Fivoahan'ny ranon-javatra
Mamoaka ranoka ny fivaviana mba tsy harary na haratra .
Famantarana ara-dalàna izany fa efa vonona ny vatana.
Raha tsy misy ny ranoka dia mety be adin-tsaina na tsy fahampian'ny fientanana.
Dingana 6: Fanehoan'ny vatana
Mihenjana kely ny hozatra manodidina ny valahana.
Miakatra ny fitempon'ny fo sy ny fifohana rivotra.
Ny vatana manontolo dia mandray anjara amin'ity dingana ity.
Dingana 7: Fahatongavana amin'ny faratampony
Raha mahazo tsirony dia hahatratra (orgasme) ny vatana.
Mila mivonona izany ny atidoha sy Vatany vehivavy
Samy manana ny traikefany ny vehivavy tsirairay.
Fanamarihana
Ara-dalàna tanteraka ny dangitra ary tsy tokony ho menatra.
Ny adin-tsaina sy ny olana ara-pihetseham-po dia mety hisy fiantraikany amin'izany.
Zava-dehibe ny fifampiresahana amin'ny olontiana
Hafatra ho an'ny olondroa
Ny fahalalana ny vatana dia manampy ny fahatokisantena.
Miresaha milamina sy manaja ny filan'ny tsirairay.
Ny firaisana dia tsy fifaninanana fa fiaraha-mientana.
Ny faharetana sy ny fitiavana no fototry ny fifandraisana tsara.
Fanontaniana isankarazany
Mitovy ve ny (erection) ny vehivavy sy lehilahy?
Mitovy amin'ny fitsipika fototra, fa ny taova voakasika no samihafa.
Nahoana indraindray tsy mety taitra
Mety avy amin'ny adin-tsaina, hormonina, na olana ara-pihetseham-po.
Voatery hisy ranon-javatra ve?
Rehefa miakatra ny taona fia mihena ny ranony. Ary mety mila fanampiana amin'ny (lubrication) menaka
Afaka misy faniriana nefa tsy hita ivelany ve?
Eny, ao an-tsaina ihany no misy izany indraindray(orgasm)
Miovaova ve ny faniriana?
Eny, miankina amin'ny toe-batana sy toe-tsaina.
Vehivavy tsy mety tonga (orgasme) ?
Mianatra (libido) sy (kegel exercise), miresaka @ ramose ny tokony atao sy ny hajanona.
Manampy ve ny fifampiresahana?
Eny, manatsara ny fahatokisana sy ny fahafaham-po izany.
Rahoviana no tokony hijery dokotera?
Raha misy fanaintainana na olana maharitra.
#kopoze #rehetra #kopozerehetra
Comments
Post a Comment