Ny Hormone Sy Ny Filàna eo @olondroa
Fa inona izany (hormone) izany eh, zava-dehibe tokoa ve?
Ny hormone dia zavatra (simika) vokarin’ny vatana izay mifehy ny asa maro ao anatiny, indrindra ny firaisana ara-nofo, ny fihetseham-po, ary ny fahafinaretana.
ilaina ny mahatakatra fa ny hormone dia miankina amin’ny fifandanjany ny vatantsika.
Dingana voalohany: Ny atidoha no mamokatra (hormone) amin’ny alalan’ny hypothalamus sy pituitary gland izay mandefa (signal) any amin’ny taova mpamokatra hormone.
Dingana faharoa: Ny taova toy ny ovaire ny vehivavy sy testicule bonga ny lehilahy no mamokatra hormone lehibe toy ny estrogène sy testostérone.
Ny testostérone dia (hormone) mampiakatra ny filàna ny fijerena vatana toy ny (libido) kosa dia mampitombo hery.
Ho any lehilahy raha ambany loatra ny (testostérone )dia miteraka tsy fahafaham-po ara-nofo ary kamo hylely
Ny estrogène kosa dia manampy amin’ny fahamandoan’ny fivaviana sy ny fahatsapana ary ny fahafahana mahazo fahafinaretana mandritra ny firaisana.
Raha tsy ampy (estrogène) dia mety ho maina ny FORY ka mahatonga fanaintainana mandritra ny firaisana.
Ny (oxytocine) dia antsoina hoe hormone ny fitiavana, satria mivoaka rehefa mifandray akaiky amin’olona, indrindra mandritra ny firaisana.
Io hormone io no mahatonga fahatsapana akaiky.Toy ilay mangoritsina.
Ny dopamine dia (hormone) mitondra fahafinaretana sy fahatsapana rehefa manao firaisana.
Izany no mahatonga ny olona te hiverina hanao firaisana satria mahazo fahafinaretana ara-tsaina sy ara-batana.
Ny prolactine kosa dia mivoaka aorian’ny (orgasme) ary manampy amin’ny fahatsapana fahafaham-po sy fitsaharana.
Saingy raha be loatra izy dia mety hampihena ny filàna.
Tsara sa Ratsy ny Hormone raha Firaisana no jerena?
Tsara ny hormone raha voalanjalanja satria manampy amin’ny fahafinaretana, fahasalamana ara-nofo, ary fifandraisany olondroa
Ratsy kosa izy rehefa tsy voalanjalanja satria mety hiteraka olana toy ny tsy fahampian’ny libido, fanaintainana na maratra na tsy fahafaham-po.
Ohatra: Raha be loatra ny (stress hormone) (cortisol), dia mihena ny filàna
Raha miadan-tsaina dia mahazo fahafinaretana feno ny vatana sy ny saina.
Inona ny vokatsoa
Mampitombo ny fahafinaretana ara-nofo
Manatsara ny fifandraisana amin’ny olontiana
Mampihena adintsaina sy tebiteby
Manampy amin’ny torimaso tsara
Inona ny Voka-dratsy
Fahaverezan’ny filàna
Fanaintainana mandritra ny firaisana
Olana amin’ny orgasme
Fikorontanan-tsaina sy fahasosorana
Mianara ianao mihaino ny vatanao satria ny hormone dia miteny aminao amin’ny alalan’ny fihetseham-po sy ny fahatsapana.
Raha misy tsy fahatomombanana dia tsara manatona mpitsabo momba ny firaisana ara-nofo(sexologist).
LESONA
Ny fahalalana ny vatanao dia hery lehibe ho anao.
Rehefa azonao ny hormone ao anatinao dia afaka mifehy ny fahasalamanao ara-nofo ianao.
Aza menatra mianatra sy manontany, satria fahasalamana no zava-dehibe.
Ireo fanontaniana isan-karazany
Inona @ hormone tena manan-danja amin’ny firaisana?
Ny testostérone sy estrogène no tena lehibe amin’ny filàna sy fahafinaretana.
Nahoana no mihena ny libido?
Vokatry ny tsy fifandanjan’ny hormone, adintsaina na aretina.
Ahoana no hanatsarana hormone?
Fihinanana sakafo ara-pahasalamana, torimaso ampy, ary fanatanjahan-tena.
Misy fiantraikany amin’ny orgasme ve ny hormone?
Eny, satria dopamine sy oxytocine no mitondra fahafinaretana sy fahafaham-po.
Maninona ny (hormone) no antsoina hoe (simika)?
satria (MOLECULES) mandeha ao @ RA sy mandefa hafatra @ SELA sy taova ary mifehy ny asa rehetra ao @ vatana , anisany izany nyLELY #kopoze #rehetra #kopozerehetra

Comments
Post a Comment