Lehilahy 20 Taona Namono Ny Olontiany Satria Tsy Manaiky Anala Zaza Izy
๐ฅMaka LESONA no ataontsika mialoha ny hitsarana satria voakasiky ny zava misy toy izao ny ao antokatranonao ao.
✍️Aleo misoroka toy izay mitsabo:
- Mialoha ny hisiany olana no mamakafaka.
- Fa tsy hoe rehefa misy olana vao be menomenona eo hoe : izao anie ilay EFA noteneniko eh!
๐ Ho any rayamandreny malagasy rehetra:
- Tompon'andraikitra voalohany tsy afabela momba ny zanakao ianao. Indrindra raha mbola mipetraka ao @nao io zanakao io.
- Tsy vitany vokisana sakafo toy ny biby ny zanaka fa mila torohevitra avy @nao rayamandreny.
- ianao rayamandreny irery ihany no akaiky azy indrindra rehefa tojo olana izy.
- Rehefa tsy miresaka ianao rayamandreny dia lasa mitady mpamaha olana any ivelany ny ankizy. Kanefa ireny dia mpamarina ankady. Dia jereo io olana hitanao miseho io izao!
- Dia aza manome tsiny ny fiarahamonina na tambazotra hoe zareo no mampaditra ny zanakao, fa ianao rayamandreny nanamboatra io zaza io angaha vatan-kazo?
- Rehefa tafita ny zanakao dedaka be ery hoe ansoie zanaky Dada sy Neny, rehefa midona poto ny zanakao dia ailikao @ manodidina indray Oadray?
๐torohevitra omena ny zanaka lahy:
- Mitovy ny ataony Dada ny adidiny elah ao antokatrano rahatrizay, noho izany henoy izay resaky Dada.
- Atoroy azy ny fanajana vehivavy: tsy ilaina ny mikasi-tanana na teny mahery fa mifampiresaka ampilaminana rehefa misy olana.
- Mila manampy ny lehilahy ao antokatrano toy ny mitaiza , kenokenona madinika raha toa ka samy miasa ianareo mivady.
- Ho Lohany ny fianakavina rahatrizay ka tsy maintsy miasa matotra. Hamelomana vady amanjanaka.
- Mampiasa kapoty raha mbola tsy te ho Dada fa tsy pingapinga milalao FoRin-janak'olona kanefa kamo hitaiza.
๐ Torohevitra omena ny zanaka vavy:
- Mitovy @ Neny njy rehefa manambady, noho izany henoy ny hafatry Neny.
- hianaro ny kenokenona dieny mbola ato @ rayamandreny satria njy no anao ireo rehefa manambady.
- Tsy maintsy miasa satria EFA mafy ny fiainana @ izao vanin'andro izao. Vola iviadianana salaka, silipo dia @ vadinjy ve no itaky?
- Tsy manomeFORY raha tsy vita mariazy.
- Ento aty antrano jerena ny momba ny olontiana sao maika hahazo Kindy dia mandositra avy eo.
❤️Menatra be izahay mivady hiresaka forysylataka @ ankizy!
- Dia jereo fa mifamono ny zanakareo satria tsy ampy torohevitra avy @ nareo mivady.
- Manomboka Kilasy faha6 mianatra momba Manisa Andro, fihaonany atody sy ranonaina.
- Noho izany mananjo hahalala ny Vatany ny miala sakana mba hahaizany manavaka ny tsara sy ratsy.
- Aza manantena ianao rayamandreny fa sekoly ihany dia mahay mananatra ny zanakao! Diso izany: hianatra MBA hitady asa rehefa Lehibe no atao any antsekoly.
- Ny fitiavana olona dia mianga ao antokatrano , mitohy eny @ manodidina ary miafara @ olontiana ho lasa vady.
๐ทFehiny:
- ny mpamono olona Mila mandray ny valin'asany.
- Ny tanora vao hanambady Mitandrina tsy hanaboatra zaza raha mbola tsy te hivady.
- ilaina ianao rayamandreny Manoro ny lalana hombany zanakao.
#kopozerehetra
#REHETRA
#kopoze

Comments
Post a Comment