Ny kalitaony Tsirinaina Na ny hafainganam-pandehany

Sperm quality




Sperm Quality dia zava-dehibe amin’ny fahasalamana sy ny fahavokaran’ny lehilahy. Raha te hahalala ny kalitaon’ny sperm, dia misy fitaovana manokana antsoina hoe Semen Analyzer na CASA (Computer-Assisted Semen Analysis).

Ny Semen Analyzer dia afaka mandinika ny:

  • Sperm Count – isan’ny sperm ao anaty ranon’aina
  • Motility – fahafahan’ny sperm mihetsika sy milomano mankany aloha
  • Morphology – endriky ny sperm (loha, vatana, rambony)
  • Vitality – fahaveloman’ny sperm

Raha lehilahy te-hanao fitiliana ny kalitaon’ny sperm, dia matetika hilaza izy hoe: “Te hanao spermogram aho” na amin’ny teny anglisy “I want to do a semen analysis”.

Ny fomba mahazatra hanangonana sperm dia amin’ny alalan’ny masturbation. Izy io atao amin’ny efitra manokana ao amin’ny hopitaly na laboratoara miaraka amin’ny kaopy sterile. Zava-dehibe ny tsy mampiasa rano na zavatra hafa, ary matetika ny dokotera dia manoro hevitra tsy hanao firaisana na masturbation 2-5 andro alohan’ny fitiliana mba hahazoana vokatra marina.

Ny olona tsy mahazo mijery mivantana ny fanadihadiana satria mila mitandrina ny fahadiovana sy ny fiarovana ny santionany. Afaka mahazo fanazavana amin’ny alalan’ny rapport feno amin’ny vokatra ny mpitsabo.


Fanazavana ny Sperm Count, Motility, Morphology

Sperm Count dia manisa ny isan’ny (sperm) ao anaty millilitre iray amin’ny ranon’aina. Raha betsaka  na vitsy na mety hisy olana amin’ny fahazoana zaza.

Motility dia mandinika ny hafainganam-pandehany ( sperm ) . Raha mirifatra tsara na tsy mihetsika fa kamo andeha ka ho  sarotra ny hahatongavany any @ ny atody.

Morphology dia manamarina ny endriky ny (sperm). Sperm tsara dia manana loha, vatana, ary rambony ara-dalàna. Ny (sperm) misy olana dia ireo tapaka rambo na fohy na kely loha.


Fahasembanana avy amin’ny zaza sy ny Genetics

Tsy avy amin’ny (sperm morphology) irery ny zaza mety ho paralysé, marenina, moana, na misy fahasembanana


- Matetika izany dia vokatry ny:

  • Olana amin’ny atidoha na hozatra (Cerebral palsy)
  • Olana nandritra ny fitondrana vohoka (aretina, fanafody, tsy fahampian-tsakafo)
  • Olana amin’ny génétique (fahadisoana amin’ny ADN na chromosomes)
  • Fomba fiaina tsy tsara (sigara, alikaola, zava-mahadomelina) avy @ rayamandreny.
  • Tontolo iainana misy poizina.



Lesona

Ny sperm quality dia zava-dehibe amin’ny fahasalamana indrindra ho any lehilahy te hiteraka. Ny Semen Analyzer sy ny CASA system no fitaovana manara-penitra hijerena ny sperm count, motility, ary morphology. Raha te-hahazo vokatra tsara, ny lehilahy dia tokony hanaraka torohevitra alohan’ny fitiliana. Fahasembanany zaza dia tsy avy amin’ny sperm morphology irery, fa mety ho vokatry ny génétique, olana nandritra ny fitondrana vohoka, na olana tamin’ny fiterahana. Ny chromosome sexuel X/Y no mamaritra ny lahy sy vavy. Ireo fanazavana ireo dia manampy amin’ny fahalalana sy fisorohana ny olana ara-piterahana.


Ho anareo mivady

Ny fahalalana momba ny sperm quality sy ny genetics dia manome hery sy fahatokisan-tena amin’ny fahasalamana. Raiso ny andraikitra momba ny vatanao, manaraka fitsaboana raha manana olana


Fanontaniana matetika misy manontany!

1. Inona ny spermogram?

Ny spermogram dia fanadihadiana ny kalitaon’ny (sperm). Tsy milina izy io fa fitiliana. Ny milina mampiasa izany dia ny (Semen Analyzer ) na (CASA system).

2. Ahoana ny fomba fanangonana sperm?

Matetika amin’ny alalan’ny masturbation ao amin’ny efitra manokana ao amin’ny hopitaly. Tokony ho madio tsara ny tanana, tsy ampiana rano na zavatra hafa, ary matetika tsy manao firaisana na masturbation 2–5 andro mialoha.

3. Inona ny sperm count, motility, morphology?

Sperm count = firy ny sperm; motility = ahoana rehefa mihetsiketsika; morphology = endriny ara-dalàna. Ireo rehetra ireo no manampy amin’ny fahazoana vokatra marina momba ny (sperm)

4. Inona no mety mahatonga fahasembanana amin’ny zaza?

Matetika dia vokatry ny olana amin’ny atidoha, fitondrana vohoka, fiterahana, génétique, fomba fiaina, na tontolo iainana. Tsy avy amin’ny (sperm morphology ) irery.

5. Ahoana no mamaritra lahy sy vavy?

Ny reny dia manome X foana, ny ray manome X na Y. XX = vavy, XY = lahy. Midika izany fa ny ray no mamaritra ny lahy na vavy.

6. Inona ny chromosome sy ADN?

Chromosome = mitahiry ADN ao anaty sela. ADN = torolalana manangana ny vatana. Ny olona ara-dalàna dia manana 46 chromosomes (23 avy amin’ny reny, 23 avy amin’ny ray).

7. Afaka mijery ny laboratoara ny lehilahy mandritra ny fitiliana ny ( sperm) ny ve?

Tsy mahazo mijery mivantana ny ( test ) ny lehilahy noho ny fitsipika momba ny fahadiovana.


#kopoze

#rehetra

#kopozerehetra

Comments

Popular posts from this blog

Mankaleo Ve nyMilely Isan'andro Raha Ho Any Lehilahy, Fantaro ny Fiantraikany @ Vatana Sy Ny Saina

Mandritra Ny Lely Mitovy Ve Ny Lavaka Fivoahany Tsirinaina Sy Ny Amany?

Manaintaina Anaty Ny Fory Mandritra Ny Lely Kanefa Ramose Tia Lely Isan'andro